Taminao no tena mamy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia nifamaho tao an-dohako, ka naveriko tan-tsary
Ireo rehetra vitantsika, ka nisesy sy nibary
Ireo ditra vokatra fitia, ireo fitia natera-ditra
Nivadika ho loharano, sy fitiavana tsy ritra

Mbola voarakitro ao anaty, ilay isika roa indray alina
Nifanandrana fitia, nifampitsapa ny aty lalina
Nifampanojo ilay filàna, tsy nihemotra na nihafa
Toy ny efa nifankahay, ny vatantsika nahay nitafa

Ilay isika roa nitoka-monina, nitokana tanaty lamba
Tsy nisy izay nisalasala, na koa hoe nihambahamba
Fa nifandramatra fitia, nifampizara hetaheta
Nataontsika niharihary, ireo fisaina vetaveta

Ianao petsam-pitiavana, izao henjanin’ny fitia
Ka nifankahazo isika, sady niara-naka fy
Ka na ireo takalon’oroka, na koa ireo tambin-tsafo
Navaditsika roa ho vatsy , hanina ary koa sakafo

Izaho nihinana anao, narahin-delaka sy kaikitra
Ianao nankasitraka an-konaina , ny vatantsika moa miraikitra
Nifampizara heta anaty, nifampizara fitiavana,
Izaho moa tsy nety voky, ianao tsy laitra fa mitavana

Dia naveriko an-jery , tao anaty maso lalina
Ireo filàna sy fitia, nisantarantsika ny alina
Izaho mitsentsitra anao, mandohalika fanahy iniana
Ianao mamelatra fitia, mitosatosa-paniriana

Dia niverenako niainana, ireo sefo, fihina sy safo
Namanàntsika ilay fandriana, tamim-batantsika afo
Ilay isika roa mitanjaka, miraikitra toa fato-maty
Mifanosika, mifampisintona, mizara ilay fitia anaty

Izaho amin’ny lelakeliko, mivezika etsy sy eroa,
Ianao toranin’ny fitia, ka tena maka fy tokoa
Izaho mamiravira anao , tsy an-nify fa am-molotra
Ianao faly be mihitsy , ka vao maika koa manolotra

Tam-pivelaranao fitia, no niakarako tsy nihamba,
Izato vatanao ninia , nanasa tsy nisy hoe angamba
Ka ny hamandoanao tontolo, no vao maika nampiridy
Sy nampihenjana ahy tanteraka, tsy voatanan-damboridy

Nifampibeda, nifamatotra, nifamadika, nifampisintona,
Ny hafanan’ny vatantsika, nampihenja-mampirintona
Mifandimbindimby isika, izay ho ambony sy ambany,
adinontsika roa daholo, ireo zavatry ny tany

tsy ho tapitra eto ny tantara, tsy ho vita eto ny tanisa
vao santatra ireo, fa tena mbola ho be ny sisa
ny hany teny mba ambarako, sy ampitaiko eto androany
betsaka ny lalan-kita fa taminao no tena mamy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
7609 2
Hevitra mandeha
zavotany09 ( 05/08/2010 13:50)
Fa fitiavana izany, tsy hay ny hangina
raha tojo 'lay malala, 'lay tokana niriana.
Na ny lanitra aza mantsy, nolazaina fahafito
Voaanika hatrany, mety ho tonga im-pito

Fa adala izay tia ka tsy mitango 'lay voasary
notadiavina hatrin'ny ela, notehirizina toa sary
ireo volony misafoto, mandrakotra ny ondana
dia fitiavana ihany koa, handravana izay olana.

F'ito masony mijery, anaty rahon'ny fitia
hitarafako ilay hay, mitazana mankafy
izato adin'ny fitia tsy ady hanatakata
fa hianako mihintsy toa ny basy mitatata.

fa ny fofon'ainy miantefa mafana amin'ny hatoko
manpitsangana ny volo rehetra amin'ny vatako
Ny hatsembohona mikoriana, mitsotsorika mandady
tsy mahafaty izany afo mandoro vatana miady

Fa na fiakarana io na koa fidinana
tsy manempotra mihintsy fa sakafo fihinana
rehefa tojo ilay tiana, notsiriritina hatry ny ela
na miaka-midina aza io, tsy hasiako zay tavela

Eny amin'iny olona iny, 'lay notiaviko mamono
no hitosahan'ny fitia, ranonaina toa ronono
fa kanto ianao sady tokana aman-tany
ka hilalaovan'ny fitiavako...fa avy aminao ny mamy.


Misévonjy

raozigasy ( 08/08/2010 22:48)
ny fitiavan'ny poeta
tsy hoe resa-betaveta
fa eza-pizarana heta
ka narafitra ho feta
Malalason ( 08/07/2013 18:40)
m'saotra e!
gigi ( 14/06/2014 21:34)
Ny fandra fetanao
Nanome endri-baovao
Ilay tsy ambarambara
tsy nanohina fa voazara
Asa kanto sady tsara




BEDOGAIGY ( 23/09/2014 17:58)
Sady namaky aho no naka sary an-tsaina
ka nalaky nitosaka ambamin'ny ranon'?
sayyuk01 ( 18/12/2014 16:04)
Mankasitraka raozy an!ten mlay e!ok!na d somary mvatambatana kel aza vao maik mlay e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263