You are here: home > Vetso

TSIKY KAY DIA AMPY - raozigasy

Azo vakiana?

Nitsiky indray ny androko
Izay ilay efa tsy andriko
Hoe hotantaraina
Ary koa zaraina

Nitsiky indray ny foko
Izay ilay hanoloako
Ireo alahelo maro
Sy ola-nifangaro

Nitsiky indray ny masoko
Adinoko ny ankasoko
Mazava izay banjiniko
Mena ny raozy fihiniko

Nitsiky indray ny molotro
Ka ireo teny natolotro
Dia feno fifaliana
Sy sangim-pitsikiana

Nitsiky indray ny tsikiko
Nisava ilay tokikiko
Feno ilay hasambarana
Irina tsy hifarana

Nitsiky indray ny endriko
Dify ilay fendrofendroko
Tan-tsiky aho no niantsampy
Hay tsiky kay dia ampy

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Soarilala (28/04/2010 15:41:17)

Ny olana misy foana fa raisina am-pitsikiana e! Sa tsy izany?

Hametraka hevitra

Midira aloha