Zay ilay fika (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zay ilay fika ho an’izay tsy kopy
Hoe resaky ny olona te hiseho ho top
Mody hoe ndeha iandrandrao ny lanitra
Dia iny ianao fa tsy hahatazana ny lalitra

Zay ilay fika sao tsy maha kobo
Hoe zarao ny bononoka, zarao ny habobo
Mody hoe omeo ny tolaka afo-manga
Dia tsy hahita intsony ireto lali-manga

Zay ilay fika sao mba mety tafa
Hoe omeo ny feinte kely mba hafahafa
Mody omena ny toraka eny an’habakabaka
Dia amin’izay hoe mangina tsy mibabaka

Zay ilay fika sao mba hoe poince
Hoe ovaina kely indray ny filince
Mody avadika style koa ny geste
Dia tsy hita ny voalavo izay mitari-peste



Koa ialahy tsy kopy fa venance
Raha voany ialahy , dia bonne chance
Ialahy voavidy dia handatsa-bato
F’izahay raha mahazo dia hitora-bato

F’izay ny morse miainga sy efa masaka
Aleo aloha ny fako hihaavo-sasaka
Dia ny propagandin’ny depioté
No hamafa sy hanadio ny arabe

Raha tsy kopy ialahy dia akory atao
Fa ny azy, izay no efa kilalao
Tsy azonao ngah ilay repoblika
Ketrika tsotra hoe : “RIP-public”

Ny peste ihany ny azy no petard
Ry zareo ihany hono no tia an’I Gasikara
Feu d’artifice mahavita manadio
Ry zareo ihany koa hono no fidio
--------
Rohy:
Sokajy : Politika
1151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311