iny taratasy iny efa noma - Rary
iny taratasy iny
efa nomaniko hatry ny ela
saingy ankehitriny
efa rovitra sy lena
iny mantsy no nilazako
namborahako ny tao am po
izay dingana niampitako
amin fitiavan olon-droa
tetezana havitako
haneho ny tena marina
hamoy ny fahazazako
hanadino sy hanarina
eny,noho ianao
tovovavy iray manaitra
natokoka ho anao
ilay taratasy tena raitra
saingy indrisy
maloka ny lalana
rako-javona ilay tsiky
fa nasetrinao fandavana
Mombamomba
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : RarynofyDaty : 19/09/2018
Mpamangy : 279
Mankafy : 0
Ankafizo
Tononkalo hafa
tiko ianaohoanao
nahoana?
meloka
kolikoly
aza!
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k