aza! - Rary
Azo vakiana?
aza aseho,eto akory
'lay tsikinao nalefaka
nambabo ahy fahiny
mandehana ka izory
fa ny foko efa ketraka
indrisy(...),ankehitriny
aza aseho raha sitrakao
fa sao ho babo indray aho
aza havoaka eto koa
ilay tananao nafana
namihina ahy.,tamin'ny alintsika roa
fa sao ny foko hifoha
ka haka izay tsy anjara
hanao an-tery setra,
aza havoaka raha sitrakao
fa sao ho babo indray aho
aza mamaly arahabako
na miteny kely akory
fa 'lay feonao mbola raikitra ato an-tsaiko
fa sao matsy tsy ho tanako
ny foko efa natory
hametsovetso indray,ny anaranao ry aiko...
aza mamaly raha sitrakao
sao dia ho babo indray aho
(...)
rary 25/09/18
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : rarynofyDaty : 25/09/2018
Mpamangy : 436
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
tiko ianaohoanao
nahoana?
meloka
kolikoly
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k
iny taratasy iny efa noma