tsy sahy - Rary
Azo vakiana?
inona re no ataoko..?
fa ny tongotro tsy mety tanako
tsy haiko fa tsy maitsy mitsoaka
rehefa iny ianao fa tazako
tsy hain ny foko nefa hikiry...
hiandry ny gadona lalovanao
fa na ny vavako moa impiry
no te hilaza toy izao..
fa izaho mitsoaka
fa akaiky eo ihany
mitily anao
manaramaso hatrany
mody tsy mahita
nefa mijery
fa menatra aho
dia aleoko mihery
fa ianao,raha mbola ianao
aza antaniana fa haiko
tsianjery
le fidoboky ny foko
asa lahy...?
fa izaho hiteny kanefa
tsy sahy
matahotra ny mety
ho valiny
sao dia ho nofy
eny..ho laviny...
ka vao maika
hiampy ireto
ireto efa niainako...
dia ho tapitra hatreto
ny tsikim-piainako
rary 22/09/2018 /02
Hevitra mandeha
DJ2018 (22/09/2018 14:18:13)
rarynofy (25/09/2018 04:04:44)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : rarynofyDaty : 22/09/2018
Mpamangy : 603
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
tiko ianaohoanao
nahoana?
meloka
kolikoly
aza!
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k
iny taratasy iny efa noma