You are here: home > Vetso

NY BOKY - RATAN



Mbola tsisy mahasolo,
mandravaka ny Tontolo.
Mahafehy ny Tarigetra,
mitahiry ireo Toetra.

Ankehitriny naika very,
malalaka tsisy teritery.
Avereno lay taloha,
Lova mahasoa.

Ankavitsiana sisa no mahalala;
tsy hita, maro koa nefa no tara.
Vaorebirebin'ny FANDROSOANA,
risika! Nohon'ny FANANTONTOLONA.

Aiza ré isika?
Ndao hamerina an'ilay fika,
hanao rodobe(ha),
fa tsy variana mihome(hy).

Aiza ianao ry FANJAKANA?
Vahoakanao ty toa MIHANAHANA...
Hasandrato lay FO,
Tsara! Aleo hiverina lay talo(ha).

Ianao no tena ilaina...
Hanokatra ny fo,mamelombelon'aina;
hanampy fahalalana,lova sarobidy
tsisy tery! Hanantanterahana ny adidy.

Mombamomba

Mpanoratra : RATAN


Nampiditra : Ratan03
Daty : 30/12/2017
Mpamangy : 187
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

HERINANDRO
BERGUITTA
NOFY
Ny ANIO
Ny ALINA
TAPAKA
Fa andro inona hono zareo
Hafatra
AVA
MALOKA

Hametraka hevitra

Midira aloha