MALOKA (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro vitsy monja,
niseho zato loza!
Fijaliana sesehena,
mampiteha hamonon-tena!

Lasa ilay voaloha.
Tonga ny faharoa.
Fahoriana hiainana foana.
Mampijaly ka mampiteny moana.

Tsitako intsony izay hatao.
Loza ty fa tsy kilalao.
Heno hatrany aminy fidoboky ny FO.
Tantara mampahonena ka tsy avela ho LO.

Misaotra r'eo nampahery,
Fiainana! Hatrizay aho efa very.
Miezaka mitazona foana,
lay FO hiainana mandavantaona.

Lay RAY ao ambony ao!
Zaho tsy misasatra foana manaraka Anao.
Ianao lay mpandahatra ty Fiainanay..
Hiatrehanay foana na dia mahamay.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
762 1
Mpakafy: Ratan03
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : Ratan03
Daty : 30/12/2017 07:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428