BERGUITTA (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo oh!
Inona no hataonay!?
Mitalaho @nao zahay fa tena fay.
Ny takaitra teo ka mbola tsy afaka
Zandry kelinao zay solafaka

Zahay aty antsinana anisan'ny tena voa mafy
Ngah tsy loza eh!hita fa tena migafy
Gafin-Janahary, naheliny tsy mba misy falifaly.
Ampio tompo oh! Fa tena mijaly


Ny tafo-trano ary ty mbola ka mbola tsisy fika
BĂ©rguitta indray ity ho tady hanafoana an'izay mba efa vita
Ny hazo be ireny mbola eny antsisin-dalana
Ny jiro-poto itony mitsirara matory miandry mba hatsangana


Mba manontany tena sisa!?
Manambatra ny hery izao, ianao ary isika
Moa ve ka tena NATUREL?
Aiza kosa eh! Efa misesy njary lasa bordel!

MITARAINA...
--------
Rohy:
798 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : ratan03
Daty : 14/01/2018 19:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103