Ny ALINA (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonga indray ianao ry alina
Alim-patoriana mitondra fisainana
Arahina nofy izy satria...
Mitondra ny maraina ho tia!

Mahafinaritra tsisy ohatr'izany
Rehefa mivoaka eo antokontany
Arahina feom-bibikely toy ny angely
ka nitondra ny nofiko nahita anjely!

Soa ihany fa teo ianao ry volana
Mandrotsindrotsy sy mitondra hazavana
Arahina kintana mameno ny tanana
Nikoropaka ra nenito no sady taitra ny gana!

Mahatalanjona lah ny mahita ny ankizy
Mihirahira sy mandihy izay ts'izy
Arahina fandihy misy ankehitriny
Nefa dia mitondra ny ambiansa ny tanora mania!
--------
Rohy:
1278 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : ratan03
Daty : 12/01/2018 07:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099