Fa andro inona hono zareo (RATAN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa andro inona hono zareo rahampitso?
Toa misy andro tsy fiasana tampotampoka indray...
Ny trano aza ty anefa mbola tsisy fanitso.
Gaga! @lafainy ray toa mampikolay!


Eny eh! @lafin'ny ray aloha, mafinaritra ihany;
Fotoana hanamboarana izay simba tany hoany.
Simba zay ravan'ny rivo-doza!
Sady nandrava no navanon-doza.


Ho anay dia...sahalan'ny katsaka anaty lapoaly.
Aiza ve ka ny tafo ambony, lasa ambany;
Kay,kay!Enjana anie izany ry valy eh!
Tsita hoa eh! Mivavaka hatrany hatrany
--------
Rohy:
816 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RATAN
Nampiditra : ratan03
Daty : 09/01/2018 12:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143