You are here: home > Vetso

Mbola manantena... - roland savio rafanomezantsoa

Misy ve ireo efa nateraka hijaly
Notoronina hizaka fahoriana?
Eny na vao nitsaika tao am-bohoka
No efa niaina fahantrana
   Monja aho vao tonga  teto an-tany
   Nandao ahy sahady i neny
   Tsy navela sy norarana
    Ny iaiana ilay hantahanta amim-dreny
Raha mba teo mantsy ianao ry neny a
Ngamba toy izao ny niafarako
Tsy manana iangotina, hibedy sy iteny
Fa dia onjohonjo irery ny fiainako
   Faniriako loatra miredareda ato anaty
   Ny ho tody hianatra eny akatso
   Nefa indrisy... Izao no hany lakilasy
   Antsisin-dalam-be sy anaty daba-pako
Mantsy aho tsy mba manana
Na trano bongo monja aza
Fa ety an-tsisin-dalana
Ety no fonenana sahaza
    Tena very ny fanahy
    Voahilika tsy misy antra
    Satria tsy mba misy mpiahy
    Ity kamboty mahantra
Kanefa...:
Mbola ao ianao ry Ray
Lay nianteherako atrizay
Ampio tompo fa mahamay
Ny ady atrehan-janakao
Marina tokoa fa:
Raha tsy misedra ady
Mantsy tsy ho tojo fandresena
Izaho tsy anary toky
Fa mbola manantena...

Mombamomba

Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoa


Nampiditra : roland_savio
Daty : 17/11/2018
Mpamangy : 307
Mankafy : 3
Ankafizo

Tononkalo hafa

Malok'ila
Gasikara

Hametraka hevitra

Midira aloha