You are here: home > Vetso

Malok'ila - roland savio rafanomezantsoa

Azo vakiana?

Efa madiva ny ho dify
'lay masoandro mena fify
Ka ny hazavana manjopiaka
Hodimbiasana haizim-pito
    Izay no fiainana eto an-tany
    Haizim-pito sy hazavana
    Mifandimby tsy hay resena
    Ny tantely sy tangena
Mantsy raha mety ny atao
Haravoana sesilany
Fa raha ho avy ilay tsy mety
Na iray segondra aza tomany
    Ny ray sy reny izay nitaiza
    Tsy eto intsony fa nakaiza?
    Ao am-pasana mangina
    Izay tsy azonao vangina
Ilay masoandro nantenaina
Efa takona any ho any
Irony lakana nitana
Indrisy rendrika tsy tana
12-10-2016

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoa


Nampiditra : roland_savio
Daty : 20/11/2018
Mpamangy : 400
Mankafy : 4

Tononkalo hafa

Mbola manantena...
Gasikara