DADA SY NENY (roland savio rafanomezantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry tanora ambarako ombieny
Mba henoy neny rehefa miteny
Mba tsarovinao ry sombinaina
Ireny hafatry dada ataovy antsaina
Io dada sy neny io tsy mba manary
Niaritra hatsika ho an-janaka ihany
Be herim-po fà tsy mba mitaraina
Na oram-panala na andro migaina
Fony ianao mbola menavava no efa niafiny
Tsy mahatombotsiraka miasa ny sainy
Rehefa iny ianao fa mafana hoditra
Tsy mahatelin-kanina izy no sady mangovitra
Dia....... Nokolokoiny nalefa an-tsekoly
Mantsy ianao iriny ho olona ambony
, Na io fiainana na toe-tsaina
Ihany ianao ho tafita no masany an-tsaina
Tsy nisasatra nilofo noho ny fitiavana anay
Na aza ny fitafy mila ho voron-kitsay
Dia tsy nikely aina i dada sy neny
Ny ahasoa anao mantsy no zava-kendreny
Hany ka.....rariny raha osa fa vesaran'ny taona
Fà kosa tsy kivy mihezaka foana
Manoro sy mananatra tsy ankijanona
Fa te hanan-janaka ho olombanona
Dia.. Mba toavy i dada,hajao neny
Aza fotsiana ireny hanany ireny
Ataovy antsaina ry sombinaina
Tsy voavidy vola ireny raha hosandaina
Ny vola sy harena akory tsy laviny
Fa zanaka hendry no tena tadiaviny
Raha zanaka Adala izany tsy tiany...???
Tiaviny foana handaniany ny herim-pony
Fa menaky ny ainy tsy foiny,tsy ariny
Sanatria aminy raha ny hiantso tody
Tontosa ny adidiny lasa izy mody
Ianao sy nenina sisa no eo
Hiantsoantso amin'ny feo mitoreo
Dada sy neny ôô....aiza ianareo ????
Raha mino ianao dia soavatsaraha
Raha toa tsy mino dia mahazoa mihary
Fà Dada sy neny io tsy mahafoy,tsy manary
Asakasakao izay hamotsy azy ireny
Fà misy tody ireny hanatra ireny
--------
Rohy:
Sokajy : Hanatr
1120 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoa
Nampiditra : rolandsavio
Daty : 03/06/2020 12:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139