You are here: home > Vetso

Mitonia - roland savio rafanomezantsoa

Azo vakiana?

Zary herikerika ririnina
Ity foko mba nitempo fitia
Ihany nandalo niserana indray maraina
Ilay fitia noheveriko mba ho doria
Ka izao leitsy ry foko mitonia
Izy iny mantsy tsy natao ho anao
Mikipia dia etsy matoria
Ka toizo sy raketo anaty nofinao
Ireo izay vita sy kinasa
Mantsy ianao anie voafafa e
Intsony tsy ao anaty diariny
Ilay teny fanekena nampiombona taloha
Nampiray izany fo
Hiangaviko indrindra ianao
Amin'izao anio izao
Mitonia aza sendaotra izany foko tia
Sao lahy ho sanatria.....
                           R.E

Sokajy : Fiononana

Hametraka hevitra

Midira aloha