You are here: home > Vetso

Gasikara - roland savio rafanomezantsoa

Azo vakiana?

Ianao ry gasikara
No nahazoako ray sy reny
Ary ianao ry gasikara.
No nampianatra ahy niteny
    Taminao ry gasikara
    Taminao no niandohana
     Ary ianao ry gasikara
     Ianao koa no iafarana
Taminao ry gasikara
Ilay fahendrena nolovaina
Ka na ny teny na ny fomba
Tsy avelanay ho very maina
     Ireo razanay fahiny
     Ireo taranaka any afara
     Mbola honina eto hatrany
     Ka ho ela velona anie i madagasikara

Sokajy : Tanindrazana

Hevitra mandeha

zolyfanomezana (18/11/2018 18:28:51)

tsara e! marina izany

Hametraka hevitra

Midira aloha