ANJARA (roland savio rafanomezantsoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
malala a...
Tsy mba endrika na bika
Fà ilay fo mitepo
Tao anatiko sy ianao
No nampiray antsika
ary koa tsy vola na fananana
No nampifanojo ilay fijery
Fa ilay fitia tsy hay sakanana
Ilay safidy tsy an-tery
Malala a.....
Efa safidy ny ahy ny hitia
Ka na inona handalo tsy hampiova sanatria
Ilay dina izay nekena
Na hahantra isika na hanana harena
eny.... mety ho sarotra ny làlana hizorana atsy ho atsy
Ho be ny mpanakora, ho be ny mpanaratsy
Be ny mpanatsatso sy ny esoeson-teny
Malala a.... Zezika sy orana handrobona ny fitiavantsika ireny
mantsy anie ry tiako.... Tsy hay tohaina intsony ilay fitia miredareda
Ka na hatsiaka mamanala na rivotra mifofo
Volamena vita sedra Ilay fitiavako
Ka na aza taona maro dia tsy hiova na hiofo


R.savio
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fitiavana
589 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoa
Nampiditra : rolandsavio
Daty : 03/08/2020 18:47
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097