ANTANANARIVO Antananariv (roland savio rafanomezantsoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTANANARIVO
Antananarivo....fiainana maro mpaniry
Fianan'ireo te hikiry
Fiainana tsy vita mora
Tsy miresaka raha tsy misy vola
Fiainan'ny saranga maro
Toe-tsaina mifangaroaro
Tokoa moa iza no tsy hita eto
Na ny mpanana mpanefoefo
Ireo be atoka mpanao afera
Sy Ireo mahantra mampahonena
Na aza ireo matory andalana
Fadiranovana tsy misy ifaharana
Antananarivo....Tananan'ny toetram-boalavo
Sakaizan'ny mpivarolavo
Tananan'ny haingo sy dera
Sy Ireo zazavavy mafotera
Antananarivo...ilay tananan'ny mahery fo
Fonenan'ny mahery saina
Tsy Sakaizan'ny olo-malaina
Ny fiainany..... Rotoroto sy hazakaza-dava
Mitady izay kely sahaza
Milofo tsy mba afa-manoatra
Mantsy sitrany tapa-kapoaka
Antananarivo...maro ireo mahantra sy manjeninjeny
Tanora tsy an'asa fà mirenireny
Manjaka fà tsy misy miteny
Ao ireo mitrongy vao homana
Ao ny homana izay vao mitrongy
Tapa-mofo no sakafo voahomana
Efa noana ka tsy afaka idongy
R.savio
26/05/2020
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
523 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoa
Nampiditra : rolandsavio
Daty : 26/06/2020 18:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096