You are here: home > Vetso

AZAFADY - Ryana

AZAFADY

Azafady raha nandona tam-baravanao
Tanatin’ny fahasahiranako;
Azafady raha niangavy ny fihin-tànanao,
Sy sandry koa mba hiantasampazako…

Azafady tsy niahotra fa nitanisa ny ratra anaty
Nitalaho fiantràna;
Azafady raha ianao no nizarako ireo tsy tanty
Ary niandrandràko fanovàna…

Azafady raha nangalatra sombim-pahasambarana
Tsy natokana ho ahy;
Azafady raha ianao no zary nantenaiko hamarana
Ny adin-tsaiko amam-panahy…

Eto aho vao mahatsapa fa amin’izay rehetra izay
Tsy nihevitra aho raha tsy ny tenako;
Ka aza tsiny, azafady, fitiavan-tena re ny ahy,
Ifonako ary anenenako!

Ryana
(28/11/08)

Hevitra mandeha

scotlandyard (27/12/2008 11:19:24)

Tsy misy tsiny, ts'isy fady
raha toa ka ny varavarako
no nodoninao tsy nihafa
tamin ny fahasahirananao

f'haiko fony izaho nitady
olona hihaino ny tantarako
tsy maintsy tany an' olon-kafa
nipenipenina toy izao

Ryana (01/01/2009 15:00:07)

MIsoatra nitsidika ê!
Ryana

dadarabe (04/08/2009 20:43:43)

VARAVARANA

Indraindray ny varavarana,
Mitondra amin’ny lalana
Tsy fanta-piandohana…
Tsy hita fiafarana…

Fa efa ngoly an-koditra
Vao tsapa mampangovitra
Toa geja ny fisianana !
Toa gadra ny fiainana !

Tsy asiana azafady,
Tsy misy lavo an-kady
Fa fomban’ny eto an-tany…
Ny tranga toy izany !

DadaRabe
04/08/09 16 :15

mangidy (23/02/2012 22:47:11)

Fomban'ny hendry ny manao azafady,
Tsy niandry fotoana na andro alahady
No natao ifonana angataham-pamelana?
Mino aho fa tsapany ary azony mazava
Ianao nifidy azy itantarànao fiantràna
Matokisa f'izy kosa anomé fahagagana

mimi12 (05/07/2012 15:04:45)

mahafinaritra sy mampientam-po ny mamaky ireo tononkalo mifamaly,kanto ery

Hametraka hevitra

Midira aloha