You are here: home > Vetso

BONNE OCCASION - Teboka Telo

"BONNE OCCASION"

Ny "bonne occasion" no mbola malaza
raha eto Gasikara :
Na bisikileta io, na posin-jaza,
Indrindra ny fiara...
Ka na fatin'entana izao, eny an-tsena,
na koa voro-damba,...
Dia vonjivonjena toa tsinain-kena
Voarombaka mamba!

Na ny silipo io, na ba kiraro
efa lasa "fripy",...
Dia avakavahana tsy hifangaro,
avy eo dia atsipy
sy antsointsoina ireto mpividy :
"hararaoty! hararaoty!"
Mahazo mifantina sady mifidy
dia atao ny kaonty.

Misy ny hafa, miandry mahazo
fa tsy mba mitady :
Manararaotra 'reo efa malazo
mba halaina vady ;
"Bonne occasion" navelan-dRampanana
mantsy Rafotsy!...
Veloma "ravoanjo" sy "ralaoka anana"
Sy ny mandry fotsy.

Kanefa tandremo! Ao anaty hotely,
rehefa mba voky :
Fanteno tsara ireo hazokely
fa tsy mampatoky!
Misy tsy vanona, be "mouvement"
amin'ny zavatra atao :
"Bonne occasion" koa ny "cure-dent"
fa tsy mba vaovao.

Teboka telo (Ismaël Edvin)

Hevitra mandeha

maeva74 (16/03/2010 01:09:47)

hihhihihihi mahavarinana fiainana mihitsy

kHim (17/03/2010 12:34:38)

mlay éé

fahamarinana (20/03/2010 17:41:58)

hahahha !tiako !

hery (23/03/2010 09:21:14)

Mahafinaritra mihitsy ho'aho ny tononkalon'i teboka telo... misaotra hatrany e.

kalonantitra (03/08/2017 10:04:11)

Misaotra anareo koa nankafy

Hametraka hevitra

Midira aloha