You are here: home > Vetso

FOFONA RE ZAO!!! - Teboka Telo

Misy fofona manento eny rehetra rehetra eny!
Fofompofon-katsembohana, fofom-bavanao miteny!
Fofofofompofon-kelika, fofonk'endy, fofom-"patte",
Fofompofona sakafo sy fofon-kena lany daty!

Feno fofompofom-pesta eny anivon'ny tontolo;
Fofom-patina voalavo sy fofon-taina vorondolo!
Fofon-tatatra sy "dalle", fofompofon-dranon-dolana!
Fofompofona madama tsy mifaram-padimbolana!

Eny Tsimbazaza koa misy fofona masiso:
Fofompofom-politikan-kolikoly, risoriso!
Fofom-pamenoana paosy sy fofompofon'adiseza:
Tsimbazaza aho, "tsy mba zaza", ny lohany ihany kay no ngeza!

Ilay olon-tiako kosa, io, no antsoiko hoe "fofom-bady"
"A" io fa tsy "O" fa sao avadikao sahady!
Aminy no aharenesana 'reo fofona tsy misy tasy:
TilapiĆ , bilakibasy, pirina sy trondrogasy!

Hevitra mandeha

nalaina.andriambola (31/10/2017 14:25:53)

mis karazana fofona maro izy zany a

Hametraka hevitra

Midira aloha