You are here: home > Vetso

TAMBAWAK'S - Teboka Telo

Fa tambawaks, hono, izaho, nefa niakatra ny ville!
Bebe satroka sy lamba, mitaingin-kapa kiranyl!
Miandrandrandrandra raha mamindra sy raradrarak'ivy lava;
Mivozihitr'ati-molotra amin'ity paraky ato am-bava!

Fa Tambawaks, hono, izaho: midaikadaika ny fandeha
Mitanjozotra aloha sy aoriana raha miaraka eny an'arabe!
Kaodikaody toa voalavo mandalo ambany oron-tsaka;
Hain'ny olona rehetra hoe: mandalo indray ilay takapa!

Na Tambawaks, aza, izaho, mba nianika an'i Rotsirotsy
Nanofa chambre, hotely,... Nitady solona Rafotsy!
Kinanjo, tsy hay, na hoe ahoana: mety vintana Alakaosy
Fa ts'hita hatramin'ny poketra sy ny vola tao am-paosy!

Fa Tambawaks, hono, izaho: Tsy haiko hoe izay no tena izy!
Fa miantso an'izay daholo na lehibe, na 'reo ankizy!
Izaho aza, lasa saina: "mba zanak'iza, zana-jovy:
Zanak'olona mpanefy sa zanaka mpitsoka ovy?"

Teboka Telo

Hametraka hevitra

Midira aloha