FITIA MANALASALA (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA MANALASALA

Na aza ianao andrahona ka hanao toy ny mamo
Kotaba ny an'ny sahona fa tsy azy koa ny rano
Na impiry ianao hamerina ny zava-bitantsika
Ny atao no miverina... ny atao mbola ho hita
Na aza hanambitamby imbetika avy miady
Ny valala, na bemandry, ts'indroa mandry ambavahady
Aza sendaotra foana ka hiseho hampifila
Ny azo tano foana fa sarotra ny mila
Izao no teniko e
Hajao ny fitiavako
Matora dieny izao
Tiako ianao rahavako
Ka asakasakao

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Alahelo - Fitiavana
1339 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 01/08/2014 06:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099