You are here: home > Vetso

Asa - Tsiky dia ampy

Eny e !
Sarotra amiko
Ny hamantatra ny hoaviko.
Fa
Ny hany azoko atao
Dia ny miezaka
Sy vonona
Hahatratra
Ilay tanjona kinendriko hatrizay.
Ny mampisalasala ahy ?
Sao dia tia ahy ianao.
    Eny e !
    Efa fantatro
    Fa hanenjika ahy ianao.
    Ka,
    Ny vahaolana mba hitako.
    Dia ny miala
    Sy mitsoaka
    Dieny izao
    Tsy mbola tratran'ny hatezeranao.
    Ny mampisalasala ahy ?
    Sao dia tia ahy ianao.

Eny e !
Azoko antoka
Fa ho rava ny amintsika.
Na,
Ny marimarina kokoa,
Dia potika
Sy rotika
Androany
Ilay nofy niarahana aminao.
Ny mampisalasala ahy ?
Sao dia tia anao aho.
    Eny e !
    Ny safidy
    Hoe hiaraka aminao
    Sa
    Hanadino anao tanteraka
    Dia efa vita
    Sy tontosa
    Fony aho
    Ilay nanandrana nitia anao iny,
    Ny mampisalasala ahy ?
    Sao dia tia anao aho.

21/03/94

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha