Madimozely antitra (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandroso ny taona, mandroso ny taona
Izaho nefa ity mbola eto foana
Tsy misy sakaiza, tsy andefimandry
Tsy zaza tsy rainy fa mbola miandry

Ireo tovovavy mitovy amin'tena
Roa taona raha kely ny eny am-babena
Izaho irery ity no gina sy tara
Fa tsy mba nahita izay alitara

Tsy lainga fa nisy sy nandalo ihany
Ireo izay nijery sy mba nanontany
Na ny Malagasy na koa ny vazaha
Fa tsy hitako mihitsy izay sahaza ahy

Ireo tovolahy mba nandrian'ny foko
Dia na sarim-bavy na koa manan-tompo
Nionona ihany aho nitampifipify
Hoe vody sobika aza manan-tandrify

Fa ankehitriny tsy aritro intsony
Ka italahoako amin'ny Ray ao ambony
Tolory ahy re izay mba ho anjarako
Mba hanohizako indray ny tantarako

Tsiky dia ampy
Jolay 2013
--------
Rohy:
7596 3
Hevitra mandeha
DotMG ( 11/09/2013 11:08)
Amin'ny teny vahiny dia misy ilay atao hoe "lapsus révélateur". Izany hoe "disodiso kely dia maoro" kanefa mampiseho hibaribary an'izay sekere nafenina lalina tsy noeritreretina hambara olona. Rachid Dati ohatra indray andro niteny hoe Fellation, kanefa Inflation no voambolana mifanaraka amin'ny resaka tokony holazainy, dia ilay lapsus izany no namoaka ny nafenina hoe tia minononono zavatra ramatoa io.
Dia inona no idiran'izany amin'ity tononkalo ity anefa ?
Vakio ao amin'ny andininy fahefatra.
DotMG ( 11/09/2013 11:09)
Laingako izany fa izaho no tsy mahazo resaka noho ny maha tsy katolika ny tena. Hay moa ny relijiozy dia azo ilazana tovolahy ihany koa?
hery ( 19/04/2015 19:45)
Masiaka be ihany ity tononkalo ity... izao vao tena nodinihako.
lanto ( 02/06/2015 10:01)
Aiza ny bokotra tsindriana raha tsy mankafy? :P
hery ( 03/09/2015 17:48)
lanto> Ngah tsy tianao ity? :-p
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103