Iza le sipa (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza le sipa ni-zipo kilaoty, vao niditra tonga de nanao pompy?
Iza le sipa gladiglady, tsy nanatona mihitsy fa narahim-bady?
Iza le sipa somary manify, nodomin'i kounda de tapaka nify?

Iza le sipa nizesta be, fa hoe tompon-dakan'ireo be fe?
Iza le sipa nilaza fa dozy? Kanefa tsy nety fa mbola ni-rozy?
Iza le sipa somary nimenona, hoe nangatsiaka sahady ilay nem?

Iza le sipa tsy matiko lolo, fa toa misy marika telo ambinifolo?
Iza le sipa nibahana hotely, fa hoe tsy navelan'i sinoa kely?
Iza le sipa tsy nahalala voky, fa mbola nitsangana nanao zouk?

Iza le sipa nikohizam-bahoaka, nizesta mihitsy fa nentiko rock?
Iza le sipa nanary kiraro, dia nihomehezan'ny besinimaro?
Iza le sipa nanao bezy bezy? Akama vaovao nefa tonga de al'ezy?

Iza le sipa manao lokomena, mi-talon avo am'kiraro mena?
Iza le sipa ni-zipo karô, variana nitolona tam'gatô?
Iza le sipa nitondra kilonga, tsy mihemotra mihitsy f'antsoina dia tonga?
Iza le sipa nitsiky sy faly, fa sady nandihy no nivarotra kaly?

(aingam-panahy avy nanatrika ny fihaonana seraser'alina III tao Paris 3/12/2011)
--------
Rohy:
14724 3
Mpakafy: hery - Jahya - kiriah
Hevitra mandeha
raozigasy ( 18/01/2012 21:21)
Ireo ny sipan’ny serasera, raha vao misy revy tsy mba mitavera
Ireo ny sipan’ny tafatafa, raha vao mifampiantso dia tsy mba mihafa
Ireo ny sipan’ny taritarika, tsy mpijanona an-trano toa voan’ny barika
Ireo ny sipan’ny facebook, tsy mety mangina fa vavam-boloky

Ireo ny sipa mpanisy ambiance, mihira, misotro, mikaly midance
Ireo ny sipa mpizara hafaliana, sy mpanaparitaka izay mahaliana
Ireo ny sipa mifanohana hatrany, fa tsy misy mahavita tena eto an-tany
Ireo ny sipa tena akama, mitantana hatrany amin’ny lala-malama

Ireo ny sipa milay ry zalahy, na dia misy fihetsika mody mivaha
Ireo ny sipa tena favori, misy ny ngoda, misy ny mahia
Ireo ny sipa eram-bazatany, ny sasany avy eto , ny sasany avy any
Ireo ny sipa, sy namana bonne, mifampitantara kozy amin’ny tonne

Ireo ny sipa : santionany ihany, amin’ireo bobaka be eto an-tany
Ireo ny sipa : tena mahatoky, na dia be haniany sy be lokiloky
Ireo ny sipa : tsy mba mahasaraka, raha vao misy antso dia indreo mifanaraka
Ireo le sipa, tena ireo, ilay karazan-tsipa nolazaiko anareo
fahamarinana ( 19/01/2012 09:32)
Ouh !!!!!! Tena tiako be kosa na ny an'i Hery na ny an'i Raozigasy kouh! Tena ireny sipa ireny marina ireo ka, hihihi, zareo reo , ry akama bonnes ny serasera-facebook ! :D
ni81 ( 19/01/2012 11:12)
Tarik'ikalamako ireo fa tsy taitra tsy maika ry Faha a!
kiriah ( 19/01/2012 19:35)
De tsy haiko Rahery fa zah nge tsy tany , na de mba naniry ny hahita an izany,
tantara fotsiny no hany mba henoko , ka tsy hitako lotra izay ho teneniko,
ny azoko ambara : matoa izy tao, de tsy olon-kafa fa ekipanao
ireny ra hirevy tsy mila miera , troupe solide ao amin ny serasera
ikalamako ( 19/01/2012 20:46)
mouhahahahahahahahaha

hangina aho ka tsy hiloa-bava intsony fa any zany e !!!!!!
fahamarinana ( 23/01/2012 18:58)
Kiriah: Troupe solida zay mihintsy anaranjareo reo ! Soa koa ilay voalaza an 😊
Ikalamako: Aleo koa indry hangina fa be izay efa vita zay!
ikalamako ( 23/01/2012 19:09)
hahahahaha eka ouzzzz
fahamarinana ( 23/01/2012 19:10)
hahahaha
hery ( 24/01/2012 10:07)
kiriah> Reveko le ainga 😜
kiriah ( 24/01/2012 11:53)
oka marina e! , zah ary tapaka mintsy namaky an io tonokalonao io .
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0368