Fetinao fa tsy holazaiko (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetinao fa tsy holazaiko
mba ho ren’izato tany
ity andro androany ity.
Am’izay mantsy ry aiko
dia isika roa ihany
no higoka ilay fitia,
Ao anatin’ny mangina
Hofenoina rotsirotsy
Tsy voasakan’inon’inona
Fa miray ny tia sy tiana
ao anaty bodofotsy
Amin’ny alin’ny ririnina.

Fetinao fa tsy hadera
Angazety na am-boky
Tsy hilazako ny club
Tsy avoaka serasera
Tsy aseho facebook
na avoaka youtube
Fa hanaovantsika fety
hanasàna souvenir
Sy ny ampitso izay ho tsara
Orokoroka dia mety
dia araho hirahira
F’izaho hitendry ilay gitara

Fetinao fa tsy invité
toy ny tamin’ny herintaona
Na Ravalo na Rajoel
Tsy asiana resabé
Fa averiko eto foana
Ianao anie ho ela velona
Ny firariana dia izay
Ny fiainana ho mamy
Dia ny ratsy koa ho foana.
Ka Andriamanitra izay Ray
No hitantana hatrany,
Tratry ny tsingerin-taona.

Fetinao dia nolazaiko...

26/11/2012
--------
Rohy:
6834 3
Hevitra mandeha
kiriah ( 26/11/2012 12:42)
..."Fetinao fa tsy hadera
Angazety na am-boky
Tsy hilazako ny club
Tsy avoaka serasera
Tsy aseho facebook
na avoaka youtube"...

milay e! , hihihihih ! , iny njay no tsy hitako !
raozigasy ( 27/11/2012 19:57)

Fetinao fa tsy lazaiko,
izay miafina ato an-tsaiko
ataoko solom-panomezana
hifaliana sy hihomehezana

fetinao fa tsy lazaiko
ilay eritreritra mibaiko
s’ilay tositosim-po
himamiantsika roa

fetinao fa tsy lazaiko
efa hainao sady haiko
ho tsiambaratelontsika
izay hitranga tsy hipika

fetinao fa tsy lazaiko
fa ao am-poko no hiraiko
ilay vavako ho anao
tratr’izao anio izao

fetinao fa tsy lazaiko
tsy misy olona asaiko
fa isika roa irery
no mifety sady miery

fetinao fa tsy lazaiko
fa isika irery ry aiko
no miaraka mifaly
toy ilay nisarom-boaly


ikalamako ( 27/11/2016 03:40)
Fetinao fa tsy hadera
An-gazety na am-boky
Na Vlog na blaogy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104