Angamba... Fa... (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Angamba tsy voaantsoko
Dradraiko an-tafontrano
Ho ren'izao tontolo
Fa ambakain'ny masoko
Malia manganohano
Sy izaho mitsangambolo
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hanoratako
Tononkalo lava
Manambatamba-tsento
Fa ambakain'ny habako
Mandrahon-tsy misava
Izaho misefosefo
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy mba tongako
Ho ren'izato tany
Ilay fitia tinory
Fa ambakain'ny ondako
Ataoko ambony ambany
Izaho tsy azon-tory
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hananganako
Takelaka vaovao
Ho fantatry ny ankizy
Fa ambakain'ny tanako
Manao ny tsy fanao
Mangovitra izaitsizy
Rehefa ilaozanao
Fa mbola tiako ianao

Angamba tsy hitanao
Fa mbola tiako ianao

Hery
Roma
28/05/06
10:42
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
7853 2
Hevitra mandeha
nikopol ( 29/05/2006 11:18)
Angamba ... :)
Oully ( 31/05/2006 13:39)
inona re no hampaherezako an'ise eh ???
ANARIM ( 07/06/2006 09:04)
tsy efa jamba kosa ve raha fitia toy izao no ho angambaina mety tsy ho hitany ry hery?
fiaritiana ( 08/06/2006 07:44)
misy ilay fitenenana hoe rehefa tena tia dé miahotra foana, mi se douter zany e!
mahereza e!
tsara be lé tononkalo!!
toetra ( 15/07/2006 12:15)
Raha araka ny fahalalako dia tsy ahitana fahadisoana tsipelina ity tononkalo ity. Ny tsininy fotsiny dia ny tsy fisian'ny mari-pihatoana (,;:!?...).
Misy ny ezaka ivimbinana voambolana tsy fampiasa firy toy ny "Malia", "habako", "izaitsizy".
Manampy izany koa ny tsilalaon-teny maro toy ny "anambatamba-tsento", "fitia tinory", "ambakain'ny habako".
Tohizo ny ezaka ry Hery anandratana ny teny malagasy fa harena malagasy hita mivaingana io.
Miangavy ny namana rehetra koa aho mba handalina izay voasoratra fa tsy hianona hanome isa sy handokandoka fotsiny toy ny hoe "tsara", "tohizo", "mahereza" ...
raozigasy ( 09/08/2006 10:28)
Angamba tsy ho voadradra
Ho ren’izao tontolo
Ilay fitiavana mikoro

Fa ilay fonao voagadra
Nitahiry sy nikolo
No tena torotoro

Angamba tsy ho tanty
Ny ketoky ny fery
Latsain’ny taraina

Fa vaim-pitia miranty
Mahatsiaro fa irery
Nilaozam-bolon’aina

Angamba tsy vao izao
No nisy didi-antsy
Nandrotika ny fo

Fa niangarana ianao
Voasompatra ianao mantsy
Ka resy teo tokoa

Kanefa

Haiko ianao f’hitraka
K’hanjaitra izato ratra

K’ireny tako-pery
Sisa ho tsara jery

K’any aoriana any
Tantara sisa izany



hery ( 28/05/2009 05:01)
Ary tsy hitako ity hoe novalian'i raozigasy... misaotra e
maeva74 ( 16/06/2009 16:34)
Mbola tiako ianao,
Mbola tsaroako ilay tsiron' ilay orokao fahiny
Eny mbola tiako ianao

Dia atao ahoana izany ry Hery ho tadiavintsika ve izy sa....
pissoa ( 16/07/2009 11:43)
Milay be :)
Malita ( 09/10/2009 11:31)
Naninaon ary zà no niditra tato? lasan'ny onjany ity zaho...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099