Ilay fireneko (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Norabirabian'ireo mafy loha
Nandray fanjakana
Ilay fahendren'ny ntaolo taloha
Nampiray tanĂ na
Ka nanjary nisy mpanjaka sy andriana
Dia ry zareo mpandresy
Nisy ny hova, ny andevo tsy tiana
Niaritra eso.

Dia nofetsifetsen'ny mpanjana-tany
Mpandroba harena
Nitondra Fivoarana hono izy izany
Ho fanangolena
Dia indro fa roboka nipataloha
Ka nanary lamba
Nandrarak'ho very ny ilo tandoha
Satria efa jamba


Mba nitetitetika ihany nandraoka
Ny ilo tsy very
Ireo menalamba nitari-bahoaka
Fa tsy ampy hery
Na teo ny hafanana izay tao am-pony
Nirehitra mafy
Dia nilavo lefona ny akamaroany
Ny ambiny maty.

Nihazohazo tsy ambony tsy ambany
Hoe nahaleo tena
Kanefa ry zareo mpanjanaka ihany
No tompon'ny harena
Omeny ny basy, tafondro, tsy ilainy
Ataony kadoa
Ka tsangan'olona volavolainy
No ataony filoha

Narirariran'ny tiatia tena
Ny harena sisa
Nanaiky tsy sazoka ilay boky mena
S'ilay paradisa
Nampanantenaina fa hahavita tena
Amin'ny ara-tsakafo.
Saingy tsy tafa, ny aina mihitsy
No novidiana lafo.

Ny Gasy mihitsy ve no efa mivika
Sy mampahonena
No fitapitahan'ny be politika
Mpangoron-karena?
Mba tongava saina jereo izay mandrava
Sy izay mampivoatra
Raha misy tsy mety aza miandry lava.
Mahaiza mitroatra
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1089 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112