You are here: home > Vetso

Tiako ianao na dia... - Tsiky dia ampy

Tiako ianao na izy
No tonga tao alohako
Nambabo ny fonao

Tiako ianao na azy
Ny sento sendra reko
Rehefa mifandao

Tiako ianao na aminy
No iantefan'ireo
Teny mamy rehefa miaraka

Tiako ianao na dia...
Tsy ho ahy mandrakizay
Fa tsy maintsy mbola hisaraka

Sokajy : Fiononana, Fitiavana

Hevitra mandeha

bichette (15/06/2004 09:07:40)

aoka marina e !

pissoa (04/05/2008 23:31:17)


Tiako ianao na dia (3)

[i]lol 3 tahatahaka ny hoe 1 + 2 zany hi hi[/i]

Tiako ianao na dia
Tsy handray ahy ho malala,
Hiery ny fijeriko ;
Tiako ianao satria
Tsy hisy hahalala
Ny ngidin'ny tanteliko.

Tiako ianao na dia
Hadalana miharo ditra
Raha eo imason'olona !
Tiako ianao satria
Ny foko na dia triatra
Dia vonona hitolona.

Tiako ianao na dia
Tsy ho ahy mandrakizay
Fa tsy maintsy hifandao ;
Tiako ianao satria
Ny foko tsy mahay
Izany tsy mitia anao.

Tiako ianao na dia
Tsikin' olon-kafa
No mambabo ny fonao ;
Tiako ianao satria
Mitoetra, tsy hovoafafa
Izay niarahana natao.

Pissoa

Malita (09/10/2009 13:40:30)

Tena mankasitraka tanteraka an'i Tsiky dia ampy sy Pissoa :-)

tohizo fona e!

Hametraka hevitra

Midira aloha