You are here: home > Vetso

Tora-po ho azy - Tsiky dia ampy

Andriamanitra ô, banjino
Iny zanakao iny.
Apetraho eny an-dàlany
Ny anjara fahazavana
Izay natoronao ahy.
Hahafahany miala
Amin’ny hady mangotàna
Maharendrika fanahy.
Fa izaho dia nanaiky
Hampangina ny fitiavako
Na dia mafy tamiko aza.
Ka ny masony nasaiko
Tsy hibanjina ny tavako
Niaretany ihany koa
Satria izay no sitrakao.
Andriamanitra ô, Misaotra.

1993 Tuléar

Sokajy : Fitiavana, Vavaka

Hevitra mandeha

Malita (07/06/2010 09:21:20)

mankasitraka
tena tsara beeee

tsikyfytia (24/08/2010 09:33:12)

Mankasitraka 100%, misaora @zavatra rht hono na dia mafy aza...

tsikyfytia (24/08/2010 09:33:20)

Mankasitraka 100%, misaora @zavatra rht hono na dia mafy aza...

Skual.R (10/06/2013 22:38:35)

izay marina le oe misaora @ zava-drehetra. Mafnartr e!

zandrygas (16/08/2013 20:35:36)

misaotr e!

Hametraka hevitra

Midira aloha