You are here: home > Vetso

Tsy isika - Tsiky dia ampy

Tsia, tsy ianao angamba
Ilay nifanena tamiko iny
Sy nanopy maso ahy.
Satria tsinjoko ihany
Fa tsy fombanao izany.
    Tsia, tsy ianao angamba
    Ilay sahy nandray ny tanako,
    Sy nitàna azy ela.
    Satria ny mora noho izany aza
    Toa tsy mety ho vitanao.
Tsia, tsy ianao angamba
Ilay nahavatra nihaino ahy
Mba nitory fitiavana.
Satria fantatro hatry ny ela
Fa tsy zakanao izany.
    Tsia, tsy ianao angamba
    Ilay nety notantanako
    Nandeha nitetitety vohitra.
    Satria efa voalazanao
    Fa feno fahendrena ianao.
Tsia, tsy ianao angamba
Ilay resim-betso-po
Ka nilatsa-dranomaso.
Satria nambaranao ahy
Fa tantinao ny fisarahana.
    Inoako mihitsy, tsy ianao,
    Ary tsy isika roa
    Ilay resin'ny fakam-panahy
    Ka ninia nifankatia.
    Satria voarara ho antsika.
    Ny fitiavana hafahafa.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Oully (16/12/2003 18:45:04)

Isika izany ka. Tsy mampino ô?

hery (08/05/2004 09:56:55)

Inoako mihitsy, tsy ianao,
Ary tsy isika roa
Ilay resin'ny fakam-panahy
Ka ninia nifankatia.
Satria voarara ho antsika.
Ny fitiavana hafahafa.

hendry (08/05/2004 14:08:28)

ohatran´ny be voarara izy zany a!

gasikely79 (04/08/2004 22:28:54)

Fitiavana hafahafa sa niniana atao?
Sa safidy diso lalana?
Ny safidy hono no maha-olona ny olona iray hoy ny relijiozy iray nampanao récollection anay.
Safidy tsy atao miaraka @ "Fanahy Masina" moa va hitondra @ fahasambarana??
Ary ny manota ao @ Fanahy Masina ve mahavery??
Fitiavana......zava-mahagaga?Zava masina satria ny kely mba haiko @ fivavahana dia: ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA.
FITIAVANA MANDRAKIZAY!!!!!!
FITIAVANA MANALA TSINY NY ZAVATRA REHETRA KOA HO ARARAOTINA VA ILAY MANALA TSINY NY ZAVATRA REHETRA ILAY MAHARI-PO NO MALEMY FANAHY???
FITIAVANA.

Mariano (04/10/2005 14:55:26)

Tena feno mistery be ity tononkalo ity, zah tsy afaka manome tiny ny fitavana, zava-tsarobidy io nef amila tandrovina tsara, arak'ilay hiran'ny Poopy hoe AMpianaro aho TOmpo mba ho haiko ny mitondra ilay fitiavana ao am-poko mba ho ravaka diamondra.

Malita (16/07/2009 14:36:37)

Tena tsarabe ity tonokalo ity, mifono hevi-dalina
saika latsaka ny ranomasoko
mankasitraka e!

smnr (17/07/2009 08:38:23)

Raha fitia tsy mifamaly aza terena ho masaka toa voalobo-jaza ee!

endrika01 (18/07/2009 17:24:12)

Mankasitraka ny mpakafy fa tena lafatra e =D

anaytt (05/03/2010 12:13:13)

zany fona zany eh?tamin'izy mbola teo anila enao no izy ,rehefa lasa kosa iz dia toa...........,
tsara loa ilay hevitra mampiheritreritra (indrindra fa ny vehivavy)
Inoako mihitsy, tsy ianao,
Ary tsy isika roa
Ilay resin'ny fakam-panahy
Ka ninia nifankatia.
Satria voarara ho antsika.
Ny fitiavana hafahafa
azfd,fitiavana hafahafa?

Hametraka hevitra

Midira aloha