You are here: home > Vetso

INY SARY TOKANA INY - Zay LAFATRA

Iny sarinao iny sakaiza,
intsony tsy haveriko,
fa hataoko ambany ondana,
intsony tsy hafeniko.

Iny sary tokana iny,
no sisa mba fijeriko,
mora havanina sy fy,
ary mamiko teliko.

Iny sary tokana iny anie!
No panaisotra ny jaliko,
rehefa mahatsiaro anao ombieny,
na misy zavatra tsy tantiko.

Iny sary tokana iny,
no hany sisa fahatsiarovana,
natolotrao ahy,
tamin'ny teny am-pahatsorana.

Iny sary tokana iny,
hatramin'iny hatramin'izao,
dia voatahiry tato akany,
fa indrindrany endrikao.

Iny sary tokana iny,
no sakaizam-pifaliana,
tandindon'ny mangidy,
toy ny hazo fijaliana.

Iny sary tokana iny,
tsy hatoroko an'izy intsony,
mandram-pitianao ahy,
intsony intsony intsony.

Zay LAFATRA
26/12/2017

Hametraka hevitra

Midira aloha