FAHALEMEM-PITIAVANY (Zay LAFATRA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nalemy ny tenany raha nombanjinin'ny masonao,
ka tsy voateniny intsony ilay teny hoe"tiako ianao".
Nihanahana kely izy ka nipitra mbamin'ny fijeriny,
ny rora maina tao ambava no hany sisa mba nateliny.

Ny Anja anie no tiany mba ho ravaky ny kalony.
panaisotra ny jaliny sy izay mety ho fimalony.
Ny rĂ  anefa miakatra misamboatra tehilaza,
ny hetan'ilay fony tsy mety ho voalaza.

Ny voary izay hiainany aza efa maintso sy mavana!
Ny fony izay mitia anefa mahatsiaro tena ngazana.
Mbola tsy vaky anefa ilay loharano ho sotroiny.
Fa ianao anie ry Anja ilay tokana tsy foiny.

Malemy ilay fitiavany anefa mafy teny mafy.
tsy hainy hoe akory fa voatery tsy maintsy mihafy.
tsy sahy mantsy izy raha hilaza izao.
matahotra ihany koa izy fa ndrao ho lavinao,
ilay fitia tapitr'ohatra tao am-pony tao.

16 Avril 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
474 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 11/01/2023 17:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147