Nahoana ianao no tanondrika (Zay LAFATRA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao no tanondrika?
Nahoana ianao no tomany?
Nahoana ianao mila ho rendrika,
Ny akaso ny eto an-tany????

Nahoana hianao no tsy mibanjina ny lanitra,
Fa tolefiky ny adi-tsaina?
Tsarovy fa tia anao Andriamanitra,
Eny!mamaly anao izay mitaraina.

Nahoana hianao no mimalo,
No tady ho resin'ny fiainana?
Reseo hatrany anie ny fahavalo,
Fa Jesoa no hiady ho anao ry namana.

Nahoana hianao no tsy matoky,
Tamin'ireo hafatra navelany?
Lovatsofina sy an-taratasy ary 'facebook',
No nandefasany ireo hetahetany.

Nahoana hianao no tsy mino hatramin'izao?
Nahoana no misalasala?
Fa efa olom-boavonjy hianao!
Eny!hatramin'ny tanindrazanay malala.

20 aout 2017
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/zay-lafatra/nahoana-ianao-no-tanondri
Sokajy : Vavaka - Aingam-panahy
113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 11/01/2023 19:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.233