MIANDRY ANAO (Zay LAFATRA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mavamavana sy manga,
izany lanitra iny izany,
f'indro kely toa banga,
ny fiainako eto an-tany.

Nanirery tato akany,
ka nieritreritra ny hoavy.
Nitanisa ireo tomany,
fa nahatsiaro anao ry Vavy.

Miandry anao foana,
na rahoviana vao ho tonga.
Mbola ho avy ilay fotoana,
hihoarako ilay bonga.

Fa eto aho miandry lalandava,
ny higadonanao eto anilako indray!
Mino matsy aho fa hitsiky indray ny tava,
ka ho azo-pahazavana ilay fitiavanay.

Na mangetaheta mafy,
izany foko ry tiana,
na mijaly sy mihafy,
mbola hisy fitoniana.

ka tsy sasatra aho manantena,
ny hiavianao ry lala!
Tsy sasatra aho nanolo-tena,
satria izay tsy tia anao adala.

Fa aiza foana hoa leroa,
no mba misy fiadanana?
milamindamina sy soa,
ho sambasambatra ny fiaina.

18 janvier 2015
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/zay-lafatra/miandry-anao
Sokajy : ahy - Fitiavana
117 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zay LAFATRA
Nampiditra : Nagaoka
Daty : 11/01/2023 18:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.265