FITIA - Zay LAFATRA
Azo vakiana?
Téo anivo-dobo,
Ilay felam-boahirana.
Na bondronono na habobo,
Dia tojo raha manahirana.
Ireo sahona madinika.
Miventsoventso aokizany.
Ny tatamo Toa masiaka,
Miantsoantso mitomany.
Anefa indrisy rè ry orana,
Dia nilaozanao mantsy.
Ny velona no fozaorana.
Drakidraky razanantsy.
Raha oviana Indray angamba,
Vao hitondraka ao anaty,
Fa ny fitia tsy hiamba,
Ka aleony mihitsy maty.
22 sept 2013
Mombamomba
Mpanoratra : Zay LAFATRA

Nampiditra : Nagaoka
Daty : 12/12/2021
Mpamangy : 168
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONINKAZOFO MIARA-MIOFO
NANAMBADY I RINDRA
LAZAO RAHA TSY TIA
NIZAKA RATRA
Fo hafakely
Tsy hifoha intsony
Tia anefa tsy voajery
HOPITALIM-PITIAVANA
Tanimena midorehitra