Hampiditra sary Nampiditra : njafah
Daty : 16/11/2006 16:03
Nijery : 1614
Tononkalo: 10 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

njafah

TSISY NENINA!
tsy ho neniko akory zay fotoana ela izay
Niandrasako anao tanaty hery mahamay
tsy noterena sanatria, eny tena tia tokoa
niaritra faka-panahy tsy nitondra voka-tsoa

tsy ho neniko akory ny fitiavana nomena
faly aho satria nahatana fanekena
fa ianao izay nandao tsy ho azoko terena
ka hitalahoko hatrany hoe mba miverena
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/njafah
Hevitra farany
njaf ( 06/12/2006 12:34)
bjr ianao, mba omeo asa soratra indray moa fa sasa-miandry eeee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153