Aiza? Iza? Nahoana? (Aingankalo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy feo re manako mamaly zato sento
Zato foko toa banga, tsy ampy anao eto
Io i neny, tena tia… I dadabe, I nenibe
Kanefa… aiza? Iza? Nahoana?
Satriko hamantatra… izay mba dadako.
Satriko hibadabada… hiantso an’I dada!

Dada o!!!
Banga anao ny foko, ianao ilay tsy fantatro
Ianao ilay nandeha, tsy nierika intsony
Satriko hanadino… tsy handratra an’I neny
Kanefa… aiza? Iza? Nahoana?
Satriko manana an’I mama, namana isan’andro,
Satriko manana an’I dada, andriko amin’ny ady,

Dada o!!!
Manina anao ny amiko tontolo
Tsy haiko izay omaly, tsy fantatro ny lasa
Tsy takatro izay antony sy izay mba nokinasa
Ny hany masaka ato am-poko…
Banga anao ny tontoloko…

23/01/2019 11h48
--------
Lien:
103 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141