Iny sento lalina iny. (aladin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny sento lalina inyNiserana, nandalo ihany
Kanefa soritr'irifiry
Nanindrona tam-poko tany
Iny sento lalina iny
Aza amaivaninao
Fa ny alaheloko novakiany
Naborany anatrehanao
Iny sento lalina iny
No mba solon-dranomaso
Izay tsy narotsako firy
Na nahery aza ireny ankaso
Iny sento lalina iny
Nandalo nefa tsy ho adino
R.R.T.A na aladin
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana - Alahelo