SILAKIN'NY AIKO (Alyrah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SILAKIN’NY AIKO

‘Lay miangotiko sy miaro
Vetsovetsoko sy hira
Iantsoako anao ry sombin’ny aina
Dada 'ty lasam-binany.

Horaketiko an-diary
Angotingoty sy ilay aro
Hasambaran’ity foko
Toa tantely tsy hafaika.

Sarisary an’eritreritro
Fahitana anao tsy haritro
Ny saiko te hamaritra
Ireo masonao mamiratra.

Omena ahy ianao ka raisiko
Fahoriana aza efa resiko
Fisinao no raozy kely
Tsy ho reraka aho hikolo.

Fanomezan’ity fiainako
Ny fisinao mba ho fananako
Tojo anao ny faniriko
No bitsibitika any reko.

‘Zato endrikao izay mandrimandry
Toa volamena, diamondra
Ity ny soratra mirakitra
Toy ny tsipolitra miraikitra.

Alyrah
--------
Rohy:
1159 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : Alyrah
Daty : 12/06/2015 16:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096