MIJOROA AMIN'NY MAHA IANAO ANAO (Amjra Praise)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIJOROA AMIN'NY MAHA IANAO ANAO

Fa nahoana ianao no kivy
toa tsy manantena intsony
raha mba sendra izay mangidy
tsy ho mandrakozay akory?

Aza zatra mitanondrika
raha mbola mahay mitraka
fa manàna vina hanonitra
ireo izay tsy nety lasa

fa tsy misy very anjara izay
izay mahandry sy maharitra
eny indraindry toa taratara
fa ilaina ianao miaritra

tsy nateraka hijaly,
na dia hoe tsy hanan-karena
,, manan-jo hifalifaly
ka hoy aho hoe mahereza

fandalovana ny tany,
aoka tsy ho adinonao
dia aza kivikivy zany,
fa mijoroa amin'ny maha ianao anao

Amjra Praise
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
175 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Amjra Praise
Inséré par : AmjraPraise
Date : 26/01/2024 19:46
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141