Fitia amin'ny maso (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA AMIN'NY MASO



Raha iny aho kivy irery

Nizotra iny sisin-dalana iny

Tsisy mpijery, izay no tena fery

Tsisy mpitia ka iza no omena tsiny



Raha iny ianao niserana teny am-pita

Efa tsy nanantena aho ka tsy nangata-maso

Kanefa ny masonao nisafo ny ahy niantso hiampita

Nanaraka ho azy ny masoko nibitsika hoe "andraso"



Nony akaiky anao aho saika mbola tsy sahy

Tonga dia nitsiky ny masonao nanambara ny anaranao

Faly koa ny masoko ka mba nilaza ny ahy

Namaly ny tananao hoe "faly mahafantatra anao"



Isak'izay mitsiky ny molotrao miresaka

Dia mitsiky eo imasonao koa ny fidoboky ny foko

Matetika tsapako ny herim-baratra mampitresaka

Hitan'ny masonao izany ka nanjary lanitra manga sy fito loko



Réf : Ny masonao no masoandroko

Tanaty masonao no nianarako fitiavana

Ny masonao no fahazavan'ny alina sy ny androko

Ny tsikin'ny masonao no mahatonga ny tontoloko ho maintso mavana
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fitiavana
1672 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136