Ilay Dia-molotrao (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay Dia-molotrao



Ilay Dia-molotrao

Tsy mbola mety natolotrao

Raha isika samy mbola hinfahalala

Tsy mbola nifampiantso hoe "Malala"



Ilay Dia-molotrao

Ilay voalohany vao natolotrao

Raha isika vao nifampatoky fitia

Mbola indray mandeha no nifampiteny hoe "Tia"



Ilay Dia-molotrao

Ilay mazàna fanolotrao

Na mifandao na mifankahita

Lamban'akoho, tsy misaraka raha tsy maty isika



Ilay Dia-molotrao

Ilay sakay mena nahosotrao

Ny fonao rehefa tezitra toa nanjary nasiaka

Akanga tsara soratra no nanariana ilay fitia nanjary tsy tafita



Réf : Tsarovy fa ilay dia-molotrao

Dia tsy mety voakosoka intsony eto imolotro

Ka raha averinao hamafisina ilay lokomena fanosotrao

Dia hidorehitra koa ilay afom-pitiavako mena efa fanolotro
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fifaliana
1585 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099