TOAKA SY NY FITIAVANA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indro izy roa fa nivembena,
mitsangana kely, dia io fa nianjera,
ny eny an-tanany, tavoahangy toaka,
nefa izy ireo mando sy mihoakà,

ny volon-dramatoa, dia misavoritaka,
ny akanjony rehetra, toa misaritaka,
ilay lokomena, dia mahonena,
ohatrany gaigy, tsy tiako jerena,

ilay rangahy hoy ianareo.......
dia toa mibetroka sy mitoreo,
ny any am-paosiny mibotsibontsina,
ny pataloha toa masiso, mamofona,

dia indreo izy roa, fa igagam-bahoaka,
kanefa tsy taitra, no tsy mba mitsoaka,
fa mifampitantana sy mifamihina,
kanefa mirondrona, tsisy hamikirana,

dia iny nipitika, avy ao am-paosy,
lohan'akoho, mifangaro saosy,
dia nifandrombaka teo izy roa,
niady, nifanaikitra toy ny amboa,

rangahy tsy nanaiky, ramatoa koa nisisika,
dia indreo izy roa fa nifanilikilika,
dia ny mpitazana indreo fa nisioka,
ny azy ireo efa fiainan'alika!!!!

nony vita ilay katro-doha,
dia raikitra indray ny "bisous" "bisous"
ka horakoraka ny an'ny marovahoaka,
kanefa tsy mbola nisava, ilay toaka!!!!

ANDRIAMASIMANANA ANDRY
--------
Rohy:
1362 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111