HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par s19andry5851
Lu par s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiaraka isika roa an’habakaba any,
handinika ny tany.
Hijery ny zava-misy eny rehetra eny,
tsy ankiteniteny.

Aleo avela eo ity tanin-kerisetra,
tena mampitsetra.
Tsy mitsahatra ny mandatsaka aina,
manoatra noho i Kaina.

Hisidina miaraka ambony lavitra any,
hanorina akany.
Hanadinoana ny fahalovana lalina,
maha valalanina.

Any isika mahita ny fitoniana rehetra,
tsy misy fetra.
Fiainana anjakan’ny fiadanan-tsaina,
tsy hita ho tanisaina.

Hifanjoy, hifampitantana any isika roa,
ho tretrika tokoa.
Ny tontolo manodidina tena tonga lafatra,
ny lanitra efa takatra.

Any isika miaina akanim-pahasambarana,
tsy manam-pitsaharana.
Akaikin’Andriamanitra, Tompo Ray Tsitoha,
tena ampoky ny soa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Aogositra 2022
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fifaliana - fiainana
1049 5
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0152