HIHIRA AHO HO ANAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hohiraiko ny omaly,
ny omaly tsy mba fanadino;
ny fitiavantsika nifamaly,
nandeha tsara, tsy nampino.

Hohiraiko ny anio,
ny anio tsy ho latsa-danja;
ho voatahiry, voarakitr'io,
ka tsy mety ho lany manja.

Hohiraiko ny ampitso,
ny ampitso: zava-maro;
na iray, telo, dimy, fito,
tsy ahiana, fa fantaro.

Hohiraiko ny hoavy,
ny hoavy tsisy fetra;
soa moa ny mpianakavy,
ho fifalian'ny rehetra.

Hihira aho, hira ho anao,
ianao, ilay andefimandriko;
hatramin'izay, hatramin'izao,
hany tokako voatandriko.

Hihira aho, ny feo anefa gara,
hihira hanako any an-danitra;
hihira, hiezaka aho ho tsara,
hihira, hidera an'Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Janoary 2020
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fifaliana - fiainana
1267 7
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:30)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161