MIBANJINA NY HO AVY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Am-polo taona maro no niarahan-tsika,
andao hitsofana mozika.
Hankalazaina izany fotoana mamy izany,
dia ny mbola eto an-tany.

Tsy toko tsy forohana ny zava - niseho,
nampiakatra ny feo.
Tsy hita ho tanisaina koa ny zava-tsoa,
naha tretrika tokoa.

Efa vita ny adidy maro amin'ireo zanaka,
ao ny manana taranaka.
Eritreretina amin'izay ny tontolon-tsika,
efa ela no nibitsika.

Andao andeha hitety an'izao tontolo izao,
hitotorebika hilalao.
Isika ihany io, tsisy mpanembatsembana,
mandry fahalemana.

Tsara hamafisina ny fifankatiavan-tsika,
tsy ho tratran'ny hatsiaka.
Hatao mihoatra lavitra ny avo zato heny,
eny rehetra eny.

Hiaraka, hifanjoy, hifampitantana eny foana,
Ambara-pahatongan'ny fotoana.
Ho an'ny miankandrefam-baravarana rehetra,
Ka aina no fetra.

Tsy hadino ny misaotra an'ny Ray Tsitoha,
isaky ny mifoha.
Satria tsy ho tanteraka izany rehetra izany,
raha tsy avy aminy irery ihany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 Aogositra 2022
--------
Rohy:
878 4
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 17/09/2022 16:00)
Misaotra be dia be ho an'izay nampiditra ny feo, mirary soa, ho tahian'ny Tompo !
ikalamako ( 21/09/2022 19:10)
Am-pifaliana hatrany tompoko. Mirary soa indrindra !
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:19)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107