SAINTSAINO KELY FA ! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Lu par s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny siny feno tsy mba mikobana ;
ny tsara fototra tsy hita hirodana.
Ny daba foana no manakoako ;
ny adala no mihomehy tsy miato.

Ny mpivavaka no mahay mitalaho ;
ny olon-kendry tsy manely tsaho.
Ny voakarama no manao kaonty fako ;
ny mpisolelaka no mandoka tsy miato.

Ny olo-malina mitsinjo ny ampitso ;
ny nianatra mieritreritra impito.
Ny olona bado no manaonao foana ;
ny very saina no tsy manaja fotoana.

Ny te ho tafita misafidy ny lalany ;
ny misaina mahandry ny anjarany.
Ny jiolahy no mpandatsaka aina ;
ny kamo no tsy mampiasa saina.

Ny olo-mavitrika tsy miandry tolorana ;
ny olon-te handroso manala fatorana.
Ny zatra miasa tsy mahalala sasatra ;
ny tia Firenena miezaka mampakatra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
30 Jolay 2022
--------
Lien:
Catégorie : fiainana - fananarana
951 5
Commentaires
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:21)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195