ATAOKO "ANGAMBA" ALOHA (AORN)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
angamba tsy tsikariny
lay zaho nandinika azy
fa tsy nasiany sira
na hoe mba topi-maso
fa olon-kafa indray
nataony tsara jery
ka ny hany fiononako
nipitrapitra irery

Angamba tsy mba tsinjony
izaho nanaka-dresaka
sy mody nanontany
lay toerana eo anilany
kanefa tsisy valiny
ka sina teo ny foko
nangasihasy maina
Nangaina nitoloko


Ataoko "angamba" ihany
fandrao dia tena tsy hitany
ty ezaka nataoko
mba hanatonako azy
Ataoko "angamba" koa
fa sao mba fitsapàna
mba hamandriany ahy
Hoe tia sa tsy tamàna?

Ataoko "angamba" aloha
ho fiononam-po

AORN
12 MARSA 2024
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Aingam-panahy
387 1
Fans: rina15
Commentaires
rina15 ( 06/03/2026 15:56)
mankatelina Ikalamako
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : AORN
Inséré par : rina15
Date : 01/09/2025 14:16
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0131